Hiverina amin'ny kojakojan'ny fiara sy 4x4
Sary fanoharana fotsiny
Embrayage sy transmissionRéf. KT-291C
Kit d'embrayage 3 pièces (mécanisme, disque, butée) 275 mm
Toyota Land Cruiser Prado 120

- Référence-n'ny mpanamboatra
- KT-291C
- Référence hafa
- Exedy TYK2219
- Mpanamboatra
- Aisin (fournisseur d'origine)
- Sokajy
- Embrayage sy transmission
- Mifanaraka amin'ny
- Toyota Land Cruiser Prado 120 (1KD-FTV 3.0 D-4D, boîte manuelle)
Misalasala ve ianao ? Soraty ao amin'ny formulaire ny laharana chassis (VIN) : izahay no manamarina.
Rahoviana no ovaina ity kojakoja ity ?
Ny embrayage efa lany dia miseho amin'ny :
- mitombo ny tolam-pihodinan'ny maotera nefa tsy mandeha haingana ny fiara, indrindra amin'ny fiakarana na rehefa mitondra entana ;
- pedaly mafy, na mifikitra any ambony be ;
- mitsikilo rehefa manomboka mandeha ;
- sarotra ampidirina ny vitesse.
Mety hisy antony hafa ireo famantarana ireo : ampamakio amin'ny valise diagnostic ny codes défaut alohan'ny hanafarana.
Fanontaniana matetika
- Ahoana no hahafantarako fa mety amin'ny fiarako ity kojakoja ity ?
- Soraty ao amin'ny formulaire ny laharana chassis (VIN). Hamarininay ny référence KT-291C sy ny mitovy aminy alohan'ny hanamafisanay ny vidiny.
- Hafiriana vao tonga eto Madagasikara ?
- Amin'ny fiaramanidina, 7 ka hatramin'ny 15 andro aorian'ny baiko, arakaraka ny fisian'ny entana any Eoropa. Tafiditra ny fanaterana manerana an'i Madagasikara.
- Ohatrinona ity kojakoja ity tonga eto Madagasikara ?
- Vidiny tombanana : 2 145 700 Ar, tafiditra ny kojakoja, ny fitaterana ary ny fanaterana. Hamafisina amin'ny WhatsApp ny vidiny marina alohan'ny baiko ; avy eo vola mialoha 30 % hanamarinana azy.
Ny antoka omenay
- Kojakoja originaly
Vidiana amin'ny mpivarotra nekena any Eoropa. - Vidiny voamarina aloha
Raisinao amin'ny WhatsApp ny vidiny marina alohan'ny hanafarana. - Garantie-n'ny mpanamboatra
Mitazona ny garantie-n'ny mpanamboatra ny kojakoja originaly.